Anontanio ny mpino silamo namanao

Andras Maurer

Fampianarana momba ny finoana silamo ho amin’ny kristianina tia hianatra ny fomba ihaonana amin’ny mpino silamo namany.
205x140mm | 340 pages

Ar 20.000

UGS : A24B001 Catégorie :

Ahoana no niandohan’ny finoana silamo ary inona no ampianariny? Inona avy ireo vondrona sy ireo hetsika misy ao aminy? Inona no valin-tenin’ny Baiboly manoloana ireo fanoherana ataon’ny mpino silamo? Ahoana no ahafahan’ny kristiana mifandray tsara amin’ny mpino silamo?

Ireo fanontaniana vitsivitsy ireo ihany no hanomezan’i Dr. Andreas Maurer teolojiana sady manampahaizana manokana momba ny fifandraisan’ny mpino Kristiana sy Silamo, valinteny mazava tsara. Maurer dia mihevitra ny fa fielezan’ny finoana silamo manerana an’izao tontolo izao dia tsy fandrahonana fa fanamby ho an’ny fiangonana kristiana. Izy dia manolotra fanadihadiana fohy sy mora azo momba ny tantaran’ny finoana silamo, ny fampianarany ary ny tontolo manodidina azy. Nosoritsoritany mazava koa ireo vondrona sy ireo hetsika samihafa misy ao anatin’ny finoana silamo. Noho izany, ny mpamaky dia hahazo valinteny omena manoloana ireo fanoherana ataon’ny mpino silamo ary torolalana azo ampiharina eo amin’ny fifandraisana amin’ireo mpino silamo.

Tranonkala ho an’izay mila fanazavana fanampiny:

  • www.aymf.net (www.ask-your-muslim-friend.net)
  • www.btm-int.org

Avis

Soyez le premier à laisser votre avis sur “Anontanio ny mpino silamo namanao”

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *