Ambiô Afafy - Fivarotam-boky Kristiana
Ny tontolon'ny boky kristianina
Avia ary jereo ny karazana boky kristianina misy aminay.


Fampahafantarana vaovao
Affichage de 13–14 sur 14 résultatsTrié du plus récent au plus ancien
Ny tanjonay
Mbola vitsy dia vitsy ny boky amin'ny teny Malagasy hanampiana ny Kristiana hampitombo ny finoany. Mikendry ny hamaha izany olana izany amin'ny alalan'ny asanay izahay.
Noho izany dia nametraka ho tanjona
-
- Ny hivarotra boky Kristiana tsy mitady tombony izahay. Midika izany fa ny mpanjifa dia mandoa ny vidiny mitovy tanteraka amin'izay aloanay amin'ny mpamatsy hividianana ireo boky.
- Ny fanoratana na fandikana boky Kristiana tsara ary ny famoahana izany amin'ny vidiny takatry ny saina.
- Ny karazana fanohanana rehetra avy amin’ny mpanoratra, ny fiangonana ary ny fikambanana mba hampiroboroboana ny asan’Andriamanitra eto Madagasikara, miaraka amin’ny fepetra fa izay miara-miasa aminay dia manohana sy miaro ireo asa kristiana mitovy.
- Ny hivarotra boky Kristiana tsy mitady tombony izahay. Midika izany fa ny mpanjifa dia mandoa ny vidiny mitovy tanteraka amin'izay aloanay amin'ny mpamatsy hividianana ireo boky.
Tranom-boky kristiana avaratra
Tsy misy tranom-boky avaratra hafa tsy ny Ambiô Afafy.
Fandefasana amin'ny Colis
Afaka handefa ny kaomandy erana Madagasikara.
Mora ny vidim-boky
Fivarotana boky kristiana tsara zakan’ny vahoaka malagasy rehetra.
Inona daholo mbola misy?
Tranom-boky
Tongava aty amin'ny toereana misy anay. Maro boky kristiana misy aty aminay. Ny tombotsoa: Ny famakiana boky amin'ny toerana dia maimaipoana.
Raha misy olona no hitondra ny boky any an-trano dia tsy maintsy hanaovany inscription maha mpikambana amin'ny tranom-boky.
Audio / Podcasts
Misy olona tsy tia mamaky, nefa tokony hikaroka ihany amin'ny lohahevitra ao amin'ny Baiboly. Mba hamahana izany dia mamokatra rakipeo izahay, izay ahitana ny votoatin'ireo boky amin'ny audio.



