Andinin-tSoratra Masina ihany no misy ao amin'ity boky ity. Misy pejy iray afaka vakiana isan'andro. Manomboka ny 1 janoary ka hatramin'ny 31 desambra. Ny andininy voalohany ao amin'ny andro iray no mametraka ny foto-kevitra amin'io andro io, fa ireo andininy manaraka kosa dia mamakafaka ilay hevitra. Natao hampahery ny mpino amin'ny finoany andavanandro izany.
Efa mpino an'hetsiny maneran-tany no namaky azy amin'ny teny anglisy (Daily Light) isan'andro. Manampy betsaka antsika amin'ny fandinihana Teny ao an-trano isan'andro ihany koa izy.
Maro ny olona efa nahazo soa ara-panahy avy amin'ity boky ity, satria manana teny sahaza raisiny isan'andro ho azy izy.
"Fanilon'ny tongotra sy fanazavana nylalako ny teninao" Salamo 119:105


Avis